Zanak' Andriamanitra

Ao amin' ny fampianaran' ny fivavahana maro, ny andian-teny hoe zanak' Andriamanitra na Zanak' Andriamanitra dia anaram-boninahitra omena fanahy na olona na zavatra nisy tokoa na tsy nisy teo amin' ny tantaran' ny zanak' olombelona. Ao amin' ny Torah (ampahany voalohany ao amin' ny Baiboly hebreo) sy ao amin' ny andalan-tsoratra maro amin' ny literatiora jiosy ivelan' ny Baiboly ary ao amin' ny Testamenta Vaovao (ilazana an' i Jesoa Kristy) indrindra no ahitana ny teny hoe zanak' Andriamanitra.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search