Fanekem-pihavanana

Ny fanekem-pihavanana dia fanekena ifanaovan' Andriamanitra sy ny vahoakany na amin' ny olombelona rehetra. Ao amin' ny fivavahana abrahamika (jodaisma, kristianisma, silamo, sns) no tena ahitana izany, ka iresahana indrindra ny fanekem-pihavanana tamin' i Abrahama. Amin' ny teny hebreo dia atao hoe ברית / berith ny fanekem-pihavanana. Amin' ny teny grika kosa dia διαθήκη / diathêkê fa amin' ny teny latina dia foedus na pactum na conventum.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search