Hova

Sarin-kovalahy nataon' i Eugène Trutat tamin' ny taona 1896.

Ny Hova dia ireo olona ao amin' ny saranga anelanelany tao amin' ny Fanjakana Merina izay sady tsy mpanompo no tsy andriana. Ilazan' ny foko sasany eto Madagasikara ny foko merina tsy anavahana saranga koa ny hoe Hova. Ny Bara sy ny Betsileo ary ny Tanala dia manao hoe Hova ireo ataon' ny Merina hoe "andriana".


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search