Sorabe

Santiôna sorabe malagasy

Ny sorabe na sora-be (سُرَبِ) dia abidy avy amin' ny abjady arabo (ajami) izay natao hanoratana ny fiteny eto Madagasikara, indrindraindrindra ireo fiteny ao tapany atsimo-atsinanan' i Madagasikara: ny fiteny antemoro (anteogny sy anakara). Fantatra fa isaina aman-jatony ny lahatsoratra nosoratana tamin' ny alalan' io abidy io; ny tena tranainy amin' ireo lahatsoratra ireo dia nosoratana tany amin' ny taonjato faha-17 tany ho any.

Tamin' ny taonjato faha-18 dia fantatry ny foko rehetra eran' i Madagasikara sy nampiasainy io abidy io: tao Imerina dia nanafatra mpanoratra antemoro i Andrianampoinimerina mba hampianatra ny ankizy hamaky teny sy hanoratra. Izay no nahatonga an-dRadama I (ilay namorona ny abidy malagasy ankehitriny izay mifototra amin' ny abidy latina) nahay nanoratra sy namaky teny hatry ny fahazazany.

Mihevitra ny mpikaroka fa mety nisy tarehintsoratra hafa nampiasaina teto Madagasikara talohan' ny nisian' ny sorabe: ao amin' ny teny mamaritra ilay abidy amin' ny teny malagasy dia ahitana ny fototeny hoe soratra (avy amin' ny teny arabo) sy ny fototeny ho be. Izay tarehintsoratra nialoha ny sorabe izay dia mety avy any India, sahala amin' ireo tarehintsoratra ampiasaina ao Azia Atsimo-Atsinanana.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search