Arabo (vahoaka)

Ny Arabo dia vahoaka monina indrindra any Afovoany Atsinanana sy any Afrika Avaratra, dia vahoaka semita sady manana kolontsaina arabo avy ao amin' ny Saikanosin' i Arabia, miparitaka any amin' ny faritra manerana ny Tontolo Arabo ankoatran' ny Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra, toa ny faritry ny Tandrok' i Afrika sy amin' ny nosy ao amin' ny Ranomasimbe Indianina (anisan' izany i Kômôro). Atao amin' ny teny arabo hoe عَرَبِيٌّ / Arabīyun (raha milaza tokana) na عَرَب / ʿArab (raha milaza maro). Fantatra hatramin' ny Andro Taloha amin' io anarana hoe Arabo io ny Arabo izay nanana anarana samihafa nandritra ny tantara, toy ny Sarasina na Sarasena, Maora, Himiarita, Fenisiana, Nabateana sy ny hafa. Fanampin' izany, Arabo am-pielezana be dia be no miparitaka eran' izao tontolo izao: any Amerika, any Eorôpa Andrefana, any Indônezia, any Pakistana, any India, any Torkia, any Irana, ao Maly, ao Nizera, ao Tsady, ao Kenia ary ao Tanzania. Tombanana ho eo amin' ny 450 tapitrisa eo ho eo eran-tany izy ireo, io no vahoaka fahatelo lehibe indrindra eran-tany.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search