Bokin' ny Genesisy

Voaroaka avy ao amin' ny Paradisa i Adama sy i Eva, sary nataon' i James Jacques Joseph Tissot (1836-1902)

Bokin' ny Genesisy na Bokin' ny Jenezy na Bokin' ny Genesý (izay hafohezina amin' ny hoe Genesisy na Jenezy na Genesý) no iantsoana ny boky voalohany ao amin' ny Baiboly. Mitantara ny famoronan' Andriamanitra izao rehetra izao sy i Adama sy i Eva, olombelona voalohany, io boky io. Mitantara ny amin' ny safodrano tamin' ny andron' i Nôa izay vokatry ny fahotana mihoa-pampana nataon' ny taranak' ireo olombelona ireo ilay boky. Tantarainy koa ny amin' ny nampanjarian' Andriamanitra ny fitenin' ny olombelona ho maro tamin' ny nanamboaran' izy ireo ny Tilikambon' i Babela. Miresaka momba ny Razamben' ny Israelita (patriarka) toa an' i Abrahama sy i Isaka sy i Jakôba ary i Jôsefa koa io boky io.

Ny lovantsofina hatramin' izay dia milaza fa i Mosesy na Môizy no nanoratra ny Bokin' ny Genesisy izay isan' ny Pentateoka na ny Tôrah ao amin' ny Baiboly jiosy (na Tanakh), nefa mitsipaka izany ny fikarohana ankehitriny (tantara, arkeôlôjia, famakafakana ny Baiboly).

Ny Bokin' ny Genesisy ao amin' ny Baiboly jiosy dia anisan' ny Tôrah, fa ao amin' ny Baiboly kristiana kosa dia isan' ny Pentateoka. Nosoratana miandalana teo anelanelan' ny taonjato faha-7 sy faha-4 tal. J.K. ity boky ity.

Famoronana ny biby, sary nataon' i  Grão Vasco (1506–11)

© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search