Eseniana

Ny Eseniana dia olona tao amin' ny antoko mpanaraka ny jodaisma tamin' ny vanimpotoan' ny Tempoly Faharoa izay niroborobo nanomboka tamin' ny taonjato faha-2 tal. J.K. sady nanomboka fanta-pisiana tamin' ny taonjato voalohany tao Palestina.

Araka an' i Flavio Jôsefa dia iray amin' ny antoko telo lehibe teo amin' ny fiarahamonina jiosy tao Palestina ny Eseniana (ny roa hafa dia ny Fariseo, na Fariziana, sy ny Sadoseo, na Sadoseana). Fikambanan' olona miaina anaty fahantrana an-tsitrapo ny Eseniana sady manatanteraka filomana an-drano isan' andro (sahala amin' ny batisa) sady mifady ny fahafinaretana eto amin' izao tontolo izao.

Nalaza ny Eseniana ankehitriny noho ny fahitana ny tahirim-boky ara-pivavahana nanomboka tamin' ny taona 1947 izay nomena ny anarana hoe "Soratanam-piraketan' ny Ranomasina Maty", ka zato eo ho eo amin' ny 870 no mety ho soratry ny Eseniana, na an' antoko mitovitovy aminy nitondra ny anarana hoe Yahad ("Firaisana") ao amin' ny soratra miisa telopolo eo. Na dia izany aza dia tsy ifanarahan' ny mpikaroka rehetra izany fampitoviana ny Eseniana amin' ny Iahady (Yahad) izany.

Niparitaka ny Eseniana taorian' ny fandravan' i Titosy ny Tempolin' i Jerosalema tamin' ny taona 70 taor. J.K. Mety niisa 4 000 izy ireo tao Palestina sy Egipta ary Siria. Ny fikambanana lehibe indrindra, izay nisy maromaro, dia nonina teny amoron' ny Ranomasina Maty. Mahaleo tena ny fikambanana tsirairay izay mivelona amin' ny fambolena sy ny asan-tanana[1].

Manandratra avo ny fitiavana an' Andriamanitra sy ny fitiavana ny hatsaram-panahy ary ny fitiava-namana ny fampianaran' ny Eseniana. Miombom-pananana izy ireo. Mitandrina ny Sabata sy ny fahadiovana ara-pivavavahana izy ireo ka mandro amin' ny rano mangatsiaka sy mitondra fitafiana fotsy. Tsy mianiana izy afa-tsy alohan' ny hiditra ho mpikambana. Fadîny ny manao sorona biby sy manamboatra fitaovam-piadiana ary ny manao raharaham-barotra[1].

  1. 1,0 et 1,1 "Esséniens", Microsoft Encarta 2009. 1993-2008 Microsoft Corporation

© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search