Famakafakana ny Baiboly

Baibolin' i Gutenberg

Ny famakafakana ny Baiboly na egzezezin' ny Baiboly dia famakafakana lahatsoratra fanao indrindra amin' ny lahatsoratra masina izay ampiharina amin' ny Baiboly mba hahazoana ny "hevitra marina" tian' ny mpanoratra ny Baiboly hampitaina. Atao hoe mpamakafaka (na egzezety) ny manam-pahaizana amin' izany asa famakafakana izany. Tsy ny Kristiana ihany no manao famakafakana ny Baiboly fa ny Jiosy koa izay efa nanao izany taloha ela.

Tsy sahala amin' ny lahatsoratry ny fivavahana hafa ny Baiboly fa efa nanaovan' ny manam-pahaizana tsikera sy fanitsiana. Ireo fitsikerana ireo dia avy amin' ny fiheveran' ny Jiosy sy ny Kristiana maro fa vokatry ny zava-nitranga ara-tantara voafaritra mazava tsara ny fivavahana. Na dia voasoratr' olon-tsy fantatra ny ampahany be amin' ny rijantenin' ny Baiboly dia noheverina fa nosoratan' olona tokony azo tondroina na faritana mazava kokoa izy ireo. Ny lahatsoratry ny Baiboly dia tsy noheverina ho nampidinina mivantana avy any an-danitra, tsy tahaka ny rijantenin' ny boky hafa toy ny an' ny Mozilmana sy ny an' ny Hindoa sy ny hafa koa. Tsy tokana anefa ny fomba fiasa amin' ny fanaovana famakafakana ny Baiboly sady nisy fivoarana izany hatramin' ny nisiany ka mandraka ankehitriny.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search