Fianakavia-mpanjaka lagida

Ptôlemaiosy I

Ny fianakavia-mpanjaka lagida na dinastia lagida na dinastia ptôlemaika dia fianakavia-mpanjaka helenistika nipoitra avy amin' ilay mpitari-tafika makedôniana atao hoe Ptôlemaiôsy I, zanak' i Lagôsy (grika: Λαγός / Lagós) (niavian' ny teny hoe lagida), izay nanjaka tao Egipta tamin' ny taona 323 tal. J.K. hatramin' ny taona 30 tal. J.K. Atao hoe basileôsy (grika: Βασιλεύς / Basileús) na farao (grika: φαραώ / pharaō) ny andriamanjaka lagida. Nanapaka an' i Kirenaika sy i Plestina ary i Kiprôsy koa ireo Ptôlemaiôsy tamin' ny fotoana sasany.

Ny faharesen' i Kleôpatra VII mbamin' i Marko Antônio raha niady tamin' i Ôktavio (atao hoe Aogosto) tao Aktioma tamin' ny taona 31 tal. J.K. no namarana ny dinastia ptôlemaika sy namarana koa ny fisian' ny faraon' i Egipta, ary koa namarana ny vanimpotoana helenistika, amin' ny mpahay tantara sasany. Fianakaviana grika sady nitonon-tena ho izany ny Lagida ka tsy niteny egiptiana, afa-tsy i Kleôpatra VII izay nahay fiteny maro.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search