Fiangonana Loterana Evanjelika ao Amerika

Ny Augustana Lutheran Church ao Washington, Distrikan' i Colombia, dia fiangonan' ny "Fampihavanana ao amin' i Kristy" ("Reconciling in Christ"), izany hoe mandray ny olona tsy an-kanavaka, tsy ijerena ny safidy momba ny fananahan' izay hatao olon-tiana, na lahy na vavy.

Ny Fiangonana Loterana Evanjelika ao Amerika na Fiangonana Loterana ara-Pilazantsara ao Amerika dia fiangonana loterana lehibe indrindra ao Etazonia, teraka tamin' ny 01 Janoary 1988 vokatry ny fitambaran' ny antokom-piangonana loterana telo, ka ahitana mpino vita batisa miisa 3 400 000 tamin' ny taona 2017, tao amin' ny fiangonana isan-toerana (kongregasiona) miisa 9 091[1]. Atao hoe Evangelical Lutheran Church in America (ELCA) izy amin' ny teny anglisy. Manana ny foibeny ao Chicago Illinois any Etazonia io fiangonana io. Tamin' ny taona 2015 dia nilaza ny Pew Research Center fa ny 1,4 % ny mponin' i Etazonia dia mpinon' ny ELCA [2]. Izy no fiangonana lehibe fahafito raha ny isan' ny mpino ao aminy no heverina[3] sady fiangonana loterana lehibe indrindra ao Etazonia izy[4]. Ny 97 %n' ny mpivavaka ao dia fotsy hoditra[5].

Ny fiangonana loterana manarakaraka azy ao Amerika dia Fiangonana Loterana Sinôdan' i Missouri na Lutheran Church–Missouri Synod (LCMS), izay misy mpino 2 000 000 eo ho eo, sy ny Sinôda Loterana Evanjelika ao Winsconsin na Wisconsin Evangelical Lutheran Synod (WELS), izay manana mpino 360 000 eo ho eo [6]. Maro koa ireo fiangonana loterana madinika ao Etazonia ka ny sasany aminy dia ireo tsy nankasitraka ny firaisan' ny fiangonana telo notanterahina tamin' ny taona 1988. Ny ELCA no azo lazaina fa fiangonana mihataka indrindra amin' ny fomban' ny loteranisma nifandovana hatramin' izay, raha mitaha amin' ireo fiangonana loterana lehibe roa hafa ao Etazonia, dia ny LCMS sy ny WELS.

Ny ELCA dia mikambana ao amin’ ny Filankevitra Ekiomenikan' ny Fiangonana (anglisy: World Council of Churches; frantsay: Conseil œcuménique des Églises), amin' ny Filankevitra Nasiônalin' ny Fiangonan' i Kristy ao Etazonia (anglisy: National Council of Churches of Christ in the USA) ary amin' ny Fiangonana Loterana Eran-Tany (anglisy: Lutheran World Federation; frantsay: Fédération Luthérienne Mondiale). Ny ELCA dia mifandray sy miara-miasa tanteraka amin' ny Fiangonana Episkôpaly (Episcopal Church), ny Fiangonana Môraviana (Moravian Church), ny Fiangonana Presbiteriana - Etazonia (Presbyterian Church (USA)), ny Fiangonana Nohavaozina ao Amerika (Reformed Church in America), ny Fiangonan' i Kristy Miray (United Church of Christ), ary ny Fiangonana Metôdista Miray (United Methodist Church)[7].

Tamin' ny volana Aogositra 2009 ny mpandatsa-bato ao amin' ny Antenimieran' ny ELCA dia nandany tamin' ny isam-bato 559 ny zo ananan' ny lahy manambady lahy tokana sy vavy manambady vavy tokana horaisina hisahana andraikitra amin' ny fitarihana ny fiangonana, indrindra ho eveka (bishop amin' ny teny anglisy). Isam-bato 441 no nanohitra an' izany. Ireo sokajin' olona ireo dia lasa mitovy zo sy adidy amin' ny lehilahy manambady vehivavy tokana na vehivavy manambady lehilahy tokana amin' ny fanompoana ao am-piangonana. Azo atao ôrdinasiôna hisahana asan' ny pastora na eveka koa ny vehivavy araka ny fanapahan-kevitry ny ELCA.

  1. https://www.elca.org/News-and-Events/ELCA-Facts. Tahiry tamin'ny 25/09/2016 ao amin'ny Wayback Machine ELCA-Facts website
  2. "Religious Landscape Study". pewforum.org. Pew Research. Notsidihina tamin'ny 22/ 11/ 2018.
  3. "National Council of Churches USA" Archived Aogositra 30, 2013 at the Wayback Machine. Ny laharana tamin'ny 2012 dia izao: Fiangonana katolika, ny Southern Baptist Convention, ny United Methodist Church, ny Fiangonan'i Jesoa Kristy ho an'ny Olomasin'ny Andro Farany, ny Church of God in Christ, ary ny National Baptist Convention, USA, vao izay ny ELCA.
  4. "Quick Facts". ELCA. Tahiry tamin'ny 26/10/2007 avy tamin'ny fototra. Notsidihina tamin'ny 13/12/2007.
  5. Pew Research Center, U.S. Religious Landscape Survey: Religious Beliefs and Practices, Diverse and Politically Relevant: Detailed Data Tables. Washington, D.C.: Pew Forum on Religion and Public Life. June 2008. Notsidihina tamin'ny 21/11/2009.
  6. "WELS Annual repport 2017". Notsidihina tamin'ny 17/04/2018.
  7. ELCA Constituting Convention Archived Novambra 2, 2009 at the Wayback Machine

© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search