Fiteny arabo

Fiteny arabo
العربية

Isan'ny mpiteny 480 tapitrisa
Faritany Tontolo arabo (Afrika Avaratra, Azia Andrefana)
Sata Teny ôfisialy:
 Arabia Saodita, Aljeria,  Baharainy, Ejipta,  Jordania,  Koweit,  Lebanona, Libia,  Maroka,  Oman,  Palestina,  Siria, Tonizia,  Yemen
Fikambanana iraisam-pirenena
Endrika:Liga Arabo, Endrika:Firenena Mikambana
Fitsinjarana ara-jeôgrafia ny fiteny arabo: fiteny arabon' ny maro anisa sy fiteny arabon' ny vitsy anisa

Ny fiteny arabo dia fiteny semitika tenenina ao Afrika Avaratra sy any Azia Andrefana. Amin' ny teny arabo izy dia atao hoe العربية / al-ʿarabīyah. Io fiteny io dia anisan' ny fiteny ôfisialin' ny Firenena Mikambana sy fiteny ôfisialy tokan' ny Liga Arabo. Raha atambatra ny olona miteny arabo eo amin' ny firenena rehetra izay lazaina fa miteny arabo amin' ny fomba ôfisialy, dia eo amin' ny 240 tapitrisa eo ho eo.

Noho ny fisian' ny mpiteny arabo miisa eo anelanelan' ny 448 825 973 sy 480 000 000 ​​ao anatin' ny Tontolo Arabo sy ny zanaka ampielezana arabo, ny fiteny arabo no fiteny semitika be mpampiasa indrindra, alohan' ny fiteny amharika (fiteny semitika faharoa be mpampiasa).

Ny fielezan' ny fiteny arabo ankehitriny dia avy amin' ny hery ara-tafiky ny Mozilmana izay tonga nampiely ny fivavahana silamo sy ny finiavan' ny kalifa (izay mibaiko ny mpino) ary ny mpino mampiely ny finoana silamo eran-tany. Ny boky masin' ny silamo, atao hoe Kor'any, izay nosoratana tamin' ny fiteny arabo, no manome lanja ny fiteny arabo eo anivon' ny vahoaka mozilmana eran-tany.

Tany amin’ ny Saikinosin' i Arabia no niavian’ ny teny arabo, ka tamin’ ny taonjato faha-7 dia lasa fitenin’ny Kor'any sy fiteny litorjika amin’ ny finoana silamo izy. Ny fanitarana ny faritry ny Empira Arabo tamin' ny Andro Antenatenany dia nitarika ny fampanjakana ny kolontsaina arabo, amin' ny ampahany fara fahakeliny, nandritra ny vanim-potoana lava kokoa na latsaka tany Afovoany Atsinanana, tao Afrika Avaratra ary tamin' ny faritra sasany tany Eorôpa (Saikanosy Iberika, Sisilia, Kreta, Sipra, faritany izay tsy ahitana azy intsony, ary any Malta, izay mahaforona fanitarana manokana azy ao amin' ny fiteny maltey). Ny Arabo aloha no nampiasa ny fiteny arabo, izay miparitaka ara-jeôgrafika amin' ny kôntinanta maro, dia miitatra amin' ny vahoaka tsy Arabo, ary lasa anisan' ny fiteny be mpampiasa indrindra eran-tany ankehitriny. Fiteny ôfisialin' ny firenena maherin' ny roapolo sy fikambanana iraisam-pirenena maromaro izy io, anisan' ny iray amin' ny fiteny ôfisialy enina an' ny Firenena Mikambana.

Ny teny arabo dia isongadinan' ny diglôsia lehibe eo amin' ny fiteny arabon' ny haisoratra, izay fiteny ifaneraserana an-tsoratra indrindra, sy ny fitenim-paritra arabo, fiteny am-bava indrindraindrindra. Ny fiteny arabon' ny haisoratra dia ahitana fiteny arabo klasika (talohan' ny Kor'any sy an' ny Kor'any ary taorian' ny Kor'any) ary fiteny arabo mahazatra môderina. Ny fitenim-paritra arabo dia ahitana karazany maro isam-paritra, izay tsy azon' ny rehetra ifanakaran-kevitra. Ny atao hoe fiteny arabo tenenina na fiteny arabo isan-toerana dia ny fitenim-paritra arabo rehetra.

Ny fototry fielezana ara-kolontsain' ny fiteny arabo dia ny fivavahana silamo sy ny literatiora amin' ny teny arabo ary ny haino aman-jery amin' izao fotoana izao ao anatin' izany ny fahitalavitra sy ny Internet. Ny fototra ara-tantara manan-danja amin' ny fielezan' io fiteny io dia ny findraman' ny fiteny vahiny voambolana avy amin' ny fiteny arabo, anisan' izany ny fiteny rômana toy ny fiteny frantsay.

Ny fanononana ny teny arabo dia misy renifeo be dia be (28 amin' ny teny arabon' ny haisoratra) sy zanapeo vitsivitsy (loko telo sy halavana voalohany roa amin' ny fitenin' ny haisoratra, betsaka kokoa amin' ny fitenim-paritra). Ny fiteny arabo dia soratana amin' ny fampiasana ny abidy arabo.

Amin' ny fitsipi-pitenenany, ny fiteny arabo dia mampiasa be dia be ny filefitra anatiny. Ny fandrafetana fehezanteny dia manaraka ao amin' ny fehezankevitra dia manaraka ny filaharana fototra matoanteny-lazaina-iharana, ary ny mpamaritra dia manaraka ny voafaritra ao amin' ny andiana entin' anarana.

Ny siansan' ny haiteny izay mifameno amin' ny fandalinana ny fitsipi-pitenenana, dia ny semantika sy ny stilistika ampiharina amin' ny fiteny arabo, ary koa ny leksikôgrafia izay mandalina ny voambolana sy ahafahabna mampandroso ny rakibolana.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search