Fivavahana abrahamika

Famantaran'ny finoana abrahamika: ny kintan'i Dvida ho an'ny Jodaisma, ny vokovoko ho an'ny Kristianisma, ny Anaran'Andriamanitra (Allah) ho an'ny Silamo.

Ny fivavahana abrahamika na finoana abrahamika dia ireo fivavahana heverina fa nandova tamin' i Abrahama ny finoana Andriamanitra tokana, ka ny tena fantatra amin' izany dia ny jodaisma sy ny kristianisma ary ny silamo, izay manorina izany finoany izany amin' ny boky heveriny ho Soratra Masina, dia ny Tanakh sy ny Baiboly ary ny Kor'any.

Isan' ny fivavahana abrahamika koa ny iazdanisma, ny samaritanisma, ny fivavahan' ny Droza, ny babisma, ny finoana bahay, ny rastafarisma, ny mandeisma, ny sabakisma, ny iazdanisma ary ny iazidisma.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search