Israely

Sainan' i Israely
Sarin-tanin' i Israely eo anivon' izao tontolo izao

I Israely na Fanjakan' i Israely dia firenena ao amin' ny faritra Atsinanana Akaiky, any Azia. Ao amin' ny morontsiraka atsinanan' ny Ranomasina Mediteranea izy ary mitomandavana mianatsimo hatrany amin' ny Hoalan' i Aqaba izy. I Jerosalema no renivohiny nefa tsy ankatoavin’ ny Fianakaviambe iraisam-pirenena izany. I Jerosalema ihany koa no tanàna lehibe indrindra dia raha ampidirina ao i Jerosalema Atsinanana. 20 770 km2 ny velarany ary 8 847 400 ny isan' ny mponina tao aminy araka ny fanisana natao tamin' ny Avrily 2018. Ny faritr' orany dia +2. Mamaritra an' i Israely ao avaratra i Libanona, ao avaratra-atsinanana i Siria, any atsinanana i Jôrdania sy i Sisjôrdania (na Jôrdania Andrefana), ary any atsimo-andrefana i Ejipta sy ny Salavantanin' i Gaza. Ny laharam-pehintaniny sy ny laharan-jarahasiny dia 29° avaratra sy 34° atsinanana.

Atao hoe יִשְׂרָאֵל / Yisrā'el sy מְדִינַת יִשְׂרָאֵל / Medīnat Yisra'el izy amin' ny teny hebreo fa إِسْرَائِيلُ / Isrā'īl sy دولة إسرائيل / Dawlat Isrā'īl kosa amin' ny teny arabo.

I Jôrdania Andrefana na Sisjôrdania (faritra bodoin' i Israely nanomboka tamin' ny Ady Enina Andro, ankehitriny tantanan' i Israely ny 60 % fa tantana n' i Palestina ny 18 % ary 22 % iarahan' izy roa mitantana.

I Israely dia manana morontsiraka ao amin' ny ranomasina telo, dia ny Ranomasina Mediteranea ao avaratra, sy ny Ranomasina Maty ao atsinanana, ary ny Ranomasina Mena ao atsimo (izay ampifandraisin’ ny Hoalan' i Aqaba). Na dia eo aza ny tany efitr' i Negev (izay mameno ny antsasa-manilan' ny tanin' i Israely) dia nisy ny fambolena hazo miisa 200 tapitrisa any ho any nanomboka tamin' ny taona 1948. Mihoatra ny 80 % amin' ny Israeliana ny Jiosy, fa ny 20 % kosa dia Arabo. Anisan' ireo firenena manan-karena indrindra eto an-tany i Israely raha ny fidiram-bolan' ny isam-batan' olona no heverina.

Ny Fanjakan' i Israely, izay niforona tamin' ny taona 1948 taorian' ny fanambaràna ny fahaleovantenany, dia vokatry ny fizaràna ny faritr' i Palestina izay natolotry ny Firenena Mikambana tamin' ny taona 1947. Ankehitriny dia manana velarana mirefy 21 946 km2 i Israely. Ny sisintaniny ankehitriny, izay vokatry ny ady voalohany nifanaovany tamin' ny firenena arabo manodidina azy tamin' ny taona 1949 anefa dia tsy ankatoavin' ny Fianakaviambe iraisam-pirenena.

Taorian' ny fandreseny tamin' ny Ady Enina Andro tamin' ny taona 1967 dia nibodo ny Salavantanin' i Gaza sy i Jôrdania Andrefana (na Sisjôrdania) i Israely. Ny Lembalemban' i Golan, izay azony tamin' ny alalan' ny fanafihana tamin' io fotoana io, dia nampidiriny ho isan' ny taniny tamin' ny taona 1981. Naitany koa ny velaran-tany ananany fiandrianana ao amin' ny ampahan' tanànan' i Jerosalema onenan' ny Arabo. Lasa nitambatra indray ity tanàna ity ary nambaran' ny mpitondra israeliana ho renivohitry ny Fanjakan' i Israely. Tsy ankatoavin' ny Fianakaviambe iraisam-pirenena anefa izany fanatambarana an' i Jerosalema izany.

Tamin' ny Mey 1994 dia nisy fifanarahana, teo amin' i Israely sy ny Fikambanam-Panafahana an' i Palestina (frantsay: Organisation de libération de la Palestine -- OLP), izay nametraka fitantanana palestiniana mizaka tena ho an' ny Salavantanin' i Gaza sy ny tanànan' i Jerikô ao Jôrdania Andrefana (na Sisjôrdania). Ny fifampiraharahana maro momba ny fandriam-pahalemana teo amin' i Israely sy ny firenena arabo – niantomboka tamin' ny Septambra 1993 ary niompana amin' ny satan' ireo tany voabodo na nakamban' i Israely amin' ny tanim-pireneny ary amin' ny fiandrianana palestiniana  – dia miteraka fifanoherana mahery vaika teo amin' ny roa tonta.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search