Jesoa

Jesoa
Ankapobeny
Anarana Jesoa
Teraka Anelanelan' ny taona 7 sy 3 tal. J.K. tao Betlehema
Maty Taona 30 tao Jerosalema
Fiaviana sy ny andraikitra
Firenena Empira Rômana
Asa : Tsy fantatra
Fiainana manokana

I Jesoa na Jesosy na Jeso dia Jiosy tany Palestina izay inoan' ny Kristiana ho zanak' Andriamanitra sy mesia nirahina ho ety ambonin' ny tany hanavotra ny olombelona tamin' ny alalan' ny fahafatesany sy ny fitsanganany ho velona indray. Izy no foto-pisian' ny fivavahana kristiana. Ny fivavahana jiosy dia manao an' i Jesoa ho olona fotsiny fa tsy Andriamanitra na zanak' Andriamanitra akory aza. Ny fivavahana silamo dia mihevitra azy ho mpaminany sahala amin' ny mpaminany Mohamady.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search