Jordana (ony)

Ny ony Jordana tandrify ilay toerana fanaovana batisa ao Jordania, noforonina tamin'ny 23 Septambra 2010

I Jordana dia ony ao Atsinanana Afovoany mirefy 360 km izay mipoitra avy ao amin’ ny tendrombohitra Anti-Libanona sady avy avaratra mianatsimo ka mivarina any amin' ny Ranomasina Maty. Mandavan-taona ny fikorianany no tsy miova firy koa ny habetsahan' ny rano entiny (salany: 32 m3/s) noho ny fisian' ny rano madinika mamatsy azy, dia i Iarmoka, izay mipoitra avy anaty vato sokay sy avy amina ranomandry. Ny lohasahany no iva indrindra eran-tany satria mahatakatra any amin’ny 421 m ambanin’ ny ranomasina.

Tao amin' ny ony Jordana no nanaovan' i Joany batemy (na batisa) an' i Jesoa, araka ny voasoratra ao amin’ ny Evanjely ao amin' ny Baiboly ary mbola misy toerana izay namboarina ao amin’ ny fialan' i Jordana ny farihy Tiberiasy (na Tiberiada na Galilea) hanaovana batisa ireo Kristiana mpanao fivahiniana masina.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search