Malagasy (vahoaka)

Malagasy

Ny Malagasy dia ny olom-pirenen' i Madagasikara sy ny olona manana razambe ao amin' ny foko malagasy izay monina eto Madagasikara na monina any amin' ny firenen-kafa. Ny olona tety ivelany no nanome io anarana hoe Malagasy io sy Madagasikara koa ho an' ny vahoaka malagasy sy i Madagasikara, firenena onenan' ny Malagasy. Ny teny hoe Madagasikara dia avy amin' i Marco Polo. Ny Nosin' i Madagasikara dia nafangarony tamin' ny tanànan' i Mogadiscio, any Sômalia amin' izao fotoana izao, tamina sarintany.

Ny foko eto Madagasikara dia miisa tsy latsaky ny valo ambin' ny folo. Misy ny foko manana endrika aziatika kokoa, ny foko sasany manana endrika afrikana. Kanefa ny fitenin' izy ireo dia tsy dia samihafa loatra amin' ny hafa ka manana voambolana iraisana; ka noho izany dia mifankahazo fiteny ihany ny Malagasy avy amin' ny foko roa samihafa na dia tsy mitovy tanteraka aza ny fiteny. Ny teny malagasy ôfisialy dia mampiasa ny voambolan' ny fiteny merina miaraka amin' ny voambolana iraisan' ny fiteny malagasy rehetra.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search