Palestina

Sainan' i Palestina

I Palestina na ny Fanjakan' i Palestina dia fanjakana manana ny fiandrianany ara-dalàna (lalàna palestiniana). Any amin' ny faritra Afovoany Atsinanana no misy azy. Milaza io fanjakana io fa miorina ao amin' ny fari-tany palestiniana voabodo izy, ka anisan' izany i Jerosalema Atsinanana. Atao hoe دولة فلسطين / Dawlat Filastin izy amin' ny teny arabo.

Sarintanin' i Palestina (miloko mena antitra)

Tafiditra tao amin' ny Empira Ôtômàna taloha, avy eo teo ambany fahefan' ny Britanika izy. Ny fipoiran' i Palestina ho fanjakana mahaleo tena dia nohafainganina noho ny Ady Arabo-Israeliana tamin' ny taona 1948-1949. Notazonin' ny Fanjakan' i Palestina ho fanambaràny ny fahaleovantenany ny fanambaràna tamin' ny 15 Nôvambra 1988 nataon' ny Fikambanam-Panafahana an' i Palestina izay nisesitany any Alger ary eken' ny Ligy Arabo sy ny Fikambanan' ny Fiaraha-Miasa Islamika. Tamin' ny taona 2011 dia niditra tao amin' ny UNESCO i Palestina. Tamin' ny 29 Nôvambra 2012 dia nanatevin-daharana ny Firenena Mikambana ny Fanjakan' i Palestina nefa tsy nanana afa-tsy ny satan' ny firenena mpanatrika fa tsy mpikambana.

I Yitzhak Rabin sy i Bill Clinton ary i Yasser Arafat nandritra ireo fifanarahana tany Oslo (Nôrvezy) tamin' ny 13 Septambra 1993.
Sarintany maneho an' i Palestina eo anivon' izao tontolo izao
Toerana misy an' i Palestina

Ny fiandrianam-pirenena, ny fankatoavana iraisam-pirenena, ny mpitsoa-ponenana palestiniana, ny fari-tany sy ny sisin-taniny, ny renivohitry ny Fanjakan' i Palestina: ireo no lohahevitry ny adihevitra sy ny disadisa. Tamin' ny taona 2017 neken' ny firenena miisa 136 (70,5 % amin' ny firenena miisa 193 mpikambana ao amin' ny Firenena Mikambana) ny Fanjakan' i Palestina. Ny sisin-tanin' ny Fanjakan' i Palestina dia ny an' ny Jôrdania Andrefana, izay fehezin' ny Fahefana Palestiniana nanomboka tamin' ny taona 1994, sy ny Salavantanin' i Gaza, izay eo ambany fifehezan' i Hamas nanomboka tamin' ny taona 2007. Ny renivohitry ny Fanjakan' i Palestina dia i Jerosalema. Ao Ramallah no misy ny foiben' ny governemanta palestiniana.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search