Palestina (faritra)

Sarintanin' i Palestina na Kanaana, taona 1853.

I Palestina dia faritra ara-tantara sy ara-jeôgrafia ao Atsinanana Akaiky izay eo anelanelan' ny Ranomasina Mediteranea sy ny tany efitra ao atsinanan' i Jôrdania sy ao avaratr' i Sinay (na Sinaia). Efa hatramin' ny taonjato faha-5 tal. J.K. no nahalalan' i Herôdôtôsy ny anarana hoe Palestina, nefa ny emperora Hadriano tamin' ny taonjato faha-2 no nanome izany anarana izany amin' ny fomba ôfisialy an' io faritra io mba hamaizany ny Jiosy (na Jody) tamin' ny fikomiana nataon' izy ireo tamin' ny taona 132-135 taor. J.K.

Amin' ny teny latina izy dia atao hoe Palaestina, avy amin' ny anarana grika hoe Παλαιστίνη / Palaistínê, amin' ny teny arabo izy dia atao hoe فلسطين / Falistīn, ary amin' ny teny hebreo dia פלשתינה / Palestīna.

Tsy voafaritra mazava ny faritra tondroina amin' ny hoe Palestina. Ny ivony dia ao amin' ny faritr' i Galilea sy i Samaria ary i Jodea (na Jodia). Ny fetrany ao avaratra dia i Foinikia (na Fenisia) sy ny tendrombohitra Libàna (na Libanona) ary ao atsimo i Filistia sy i Idomea. Tamin' ny vanim-potoan' ny Kroazada dia miankina aminy i Perea ao avaratra-atsinanan' ny Ranomasina Maty sy i Batanea ary i Dekapôlisy any ampitan' ny ony Jordàna. Mety ilay faritra ao andrefan' i Jordana fotsiny ihany i Palestina. Nampiasaina koa ho solon' ny hoe Tanin' i Israely ny teny hoe Palestina.

Ny faritr' i Palestina ankehitriny dia mahafaoka ny Fanjakan' i Israely ankehitriny, ny fizaran-tany palestiniana (Palestina) voabodo, ny Salavan-tanin' i Gaza ary indraindray koa ny ampahan' ny fanjakan' i Jôrdania, i Libàna Atsimo ary ny Lembalemban' i Golàna.

Ara-tantara dia mifanandrify amin' i Kanaana sy ny Tanin' i Israely sady nikambana tamin' ny faritr' i Siria (Siria-Palestina) i Palestina. Araka ny lovantsofin' ny fivavahana abrahamika dia i Palestina no ilay Tany nampanantenaina ny Zanak' i Israely, Tany Masin' ny kristianisma sy ny finoana silamo.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search