Rain' ny Fiangonana

Rain' ny Fiangonana

Ny Rain' ny Fiangonana na Rain' ny Eglizy na Aban' ny Eglizy dia ny mpanoratra kristiana teo anelanelan' ny taonjato faha-2 sy faha-7 nanao fampianarana nanana ny fahefany izay mbola tanana hatramin' izao. Fepetra efatra no namaritan' ny Fiangonana ny mpanoratr' ireo taonjato ireo izay mendrika ny hahazo izany anaram-boninahitra izany:

  • olona niaina tamin' ny vanim-potoana voalohan' ny Fiangonana;
  • olona niaina tanaty fahamasinana;
  • olona nanao asa soratra tsy ahitana fahadisoam-pampianarana sady misy fampahafantarana sy fanamarinana mafonja ny fampianaram-pinoana kristiana;
  • olona nahazo ny fankatoavan' ny Fiangonana.

Ankoatr' izany dia natao hoe nanana fifandraisana voaporofo tamin' ny Apôstôly ny Rain' ny Fiangonana na azo inoana ho izany tokoa ka ny sasany amin' izy ireo dia atao hoe Ray Apôstôlika. Ny Mpanoratra skôlastika no nandimby ny Rain' ny Fiangonana.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search