Ranomasimbe Atlantika

Ny Ranomaismbe Atlantika miloko manga

Ny Ranomasimbe Atlantika dia anisan' ny ranomasimbe dimy eto an-tany. Ny velarany dia 106 tapitrisa km², noho izany, izy no ranomasimbe ngeza indrindra ao aorian' ny Ranomasimbe Pasifika. Ny Ranomasimbe Atlantika dia vokatry ny fisarahan' ny Kôntinenta Eorô-Afrikana sy ny Kôntinanta Amerikana 180 tapitrisa taona lasa izay. Ny Ranomasimbe Atlantika no ranomasina niaingan' ny fihazana eorôpeana nandritry ny taonjato maro. Amin' izao fotoana izao dia mbola lalana ifandraisana manan-danja izy ho an' ny firenena manana morontsiraka amin' io ranomasina io ary manana anjara jeôpôlitika lehibe.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search