Ranomasina Maty

Ny Ranomasina Maty, jerena avy ambony amin' ny satelita

Ny Ranomasina Maty dia farihy masira ao Palestina any Atsinanana-Akaiky eo anelanelan' i Jôrdania sy i Israely any andrefana. Mivarina ao aminy ny ony Jordana (na Joridany). Mirefy 1015 km2 ny velarany, 85 km ny halavany ary 17 km ny sakany. Any amin' ny 392 m ambanin' ny haavon' ny ranomasina ny misy azy. Farihy be sira loatra ny Ranomasina Maty (275 g/l raha tokony ho 2,4 g/l) ka tsy ahitana trondro na lomotra maitso afaka mivelo. Teo akaikin' ny morony, tao Kirbeta Komrano no nahitana ireo soratanam-piraketana manana ny lanjany lehibe amin' ny tantaran' ny Eseniana.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search