Ratsy

Ny ratsy dia hevitra mifandray amin' ny zava-mitranga rehetra nahy na tsy nahy, amin' ny fitondran-tena na amin' ny toe-javatra heverina fa manimba na mandrava na tsy araka ny fitsipi-pitondran-tena, izay loharanon' ny fijaliana ara-môraly na ara-batana.

Hevitra tsy afaka misy sy azo eritreretina ny ratsy raha tsy ampifandraisina amin' izay mifanohitra aminy: dia ny tsara izany. Miteraka fanontaniana isan-karazany ny ratsy, izay hita koa ao amin' ny fedrà sy ny teôlôjia ary ny filôzôfia. Izany dia midika fa tokony hoeritreretina, momba ny saham-pampiharana an' io hevitra io, ny fomba fiasa isan-karazany hahazoana ny tian-kambara: Avy amin' ny fijaliantsika ara-batana ve ny ratsy? Ara-môraly ve izany satria mahakasika ny fahotana? Ny ratsy metafizika ve izany, izany hoe io fahorian' ny olombelona manoloana ny tsy fahatanterahany io?


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search