Rosia

Mbola ambangovangony  amin'ny resaka rosia ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Российская Федерация ((ru))
Россия ru
Federasionan'i Rosia ((mg))
Sainan'i Rosia Fanevan'i Rosia
(Antsipirihany) (Antsipirihany)
Teny filamatra : tsy misy
Teny ofisialy fiteny rosy1
Renivohitra Môsikao
55° 45' N, 37° 42' E
Tanàna ngeza indrindra Moskva
Fitondrana sy governemanta
 - Président
 - Président du gouvernement
Repoblika firenena federaly
Vladimir Poutine
Dmitri Medvedev
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 1
17 075 400 km²
0,5%
Isam-ponina
 - Tontaliny (2009)
 - hakitroka
faha 8
141 800 000[1] mpo.
8,3 mpo./km²

{{{1}}}

Anaran'ny mponina Rosy, rosianina
IDH (2008) (mitombo) 0,802[2] (ambony) 67
Sandam-bola Robla (RUB)
Faritr'ora UTC +3 hatramin'i +12
Hiram-pirenena {{{hymne_national}}}
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+7

I Rosia na ny Federasionan' i Rosia dia fanjakana federaly sady firenena ngeza indrindra eto an-tany, manana mponina miisa 142 tapitrisa any ho any araka ny fanisam-bahoaka natao tamin' ny taona 2007. Misabaka eo amin' i Eorôpa (25,3 %n' ny fivelarany) sy i Azia Atsinanana (74,7 %) izy. Ny firenena rosiana dia manana velarana 17 tapitrisa km2 (indroan' i Etazonia ary in-30n' i Madagasikara) izany. Manana faritr' ora iraika ambin' ny folo izy. Ny renivohiny dia i Môsko, ny fiteny rosiana no fiteny ôfisialy any ary ny robla no sandam-bola ampiasainy. Atao hoe Россия / Rossiya na Российская Федерация / Rossiyskaya Federatsiya izy amin' ny fiteny rosiana.

Na dia misy ranomasina maromaro aza ny manodidina an' i Rosia dia manana toetrandro an-kôntinenta amin' ny tany mangatsiaka sy sarotra ipetrahan' ny olona izy.

Betsaka ny harena an-kibon' ny tany any Rosia: misy ny solitany sy ny vato sarobidy. Mivoatra be ny orinasa mikasika ny fanamboarana sambondanitra sy ny fanamboarana basy. Ny fanamboarana sambondanitra no nahavoalohany an' i Rosia izay nenti-nizaha ny habakabaka tamin' ny taona 1957.

Ny Repoblika Sôsialista Federativan' i Rosia (RSFR) no repoblika lehibe indrindra tao amin' ny Firaisana Sôvietika.

Tamin' ny faran' ny taona 1991 dia nisy firenena vaovao dimy ambin' ny folo avy amin' ny Firaisana Sôvietika taloha, isan' izany i Rosia, izay nandova ny 3/4n' ny tanin' ny Firaisana Sôvietika taloha (izany hoe 17 tapitrisa km²) sy ny antsasaky ny mponiny sy ny 2/3n' ny orinasany ary ny antasaky ny toeram-pamboleny.

  1. ((ru))http://www.gks.ru/bgd/free/b09_00/IssWWW.exe/Stg/d06/8-0.htm, Jiona 2009
  2. ((en)) UNDP

© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search