Salavantanin' i Gaza

Sarintanin' ny Salavantanin' i Gaza

Ny Salavantanin' i Gaza, izay atao fotsiny hoe Gaza, dia faritra palestiniana kilavalava mirefy 41 km manamorona ny morontsirak' i Mediteranea, any Atsinanana Akaiky, sy manana sakany 6 km hatramin' ny 12 km, ary manana velarana 360 km2. Avy amin' ny anaran' ny tanàn-dehibe Gaza io anarany io. Atao hoe قطاع غزة / Qita' Ghazzah ny anarany amin' ny teny arabo. Ny Salavantanin' i Gaza dia hodidinin' ny Fanjakan' i Israely ao avaratra sy ao atsimo-atsinanana, sy i Ejipta ao atsimo-andrefana.

Tamin' ny taona 2018 dia nisy mponina 2 000 000 any ho any ny ao, fa tamin' ny taona 2022 kosa dia tombanana ho roa tapitrisa mahery ny mponina tao Gaza, izany hoe manodidina ny 6 000 mponina/km².

Avy amin' ny anaran' ny tanànany lehibe, Gaza, ny anarany. Ny Salavantanin' i Gaza sy i Jôrdania Andrefana no faritra takin' ny Fahefana Palestiniana hanorenana Fanjakana Palestiniana.

Ny tantara vao haingana momba an' io faritra io, izay nonenana nandritra ny taonjato 35 mahery, dia nifamatotra be, nanomboka tamin' ny nifaranan' ny fe-potoam-piasan' ny Britanika momba an' i Palestina, tamin' ny adin' ireo mpifanolo-bodirindrina aminy, ny Ejiptiana sy ny Isiraeliana, izay nibodo azy nifandimby. Nampiantrano mpitsoa-ponenana Palestiniana maromaro nafindra toerana noho ny Ady Arabo-Isiraeliana ny Salavantanin' i Gaza.

Ny firosoana amin' ny fandriam-pahalemana israeliana-palestiniana nohamafisin' ny Fifanarahana tao Oslo izay nosoniavina tamin' ny taona 1993 dia nametraka ny Salavantanin' i Gaza ho eo ambany fitantanan' ny Fahefana Palestiniana ary, taorian' ny Intifada faharoa, tamin' ny taona 2005 dia niala tanteraka tao amin' ny Salavantanin' i Gaza i Israely ary ny mponina jiosy manontolo tao (olona miisa 9 000) dia nesorina tao.

Nihena ny fahefan' ny filoha Mahmoud Abbas nanomboka tamin' ny fandresen' ny Hamas tamin' ny fifidianana tamin' ny taona 2006, avy eo tamin' ny fakana fahefana an-keriny nataon' io hetsika io ihany izay nampihatra fahefana tokoa nanomboka amin' ny volana Jona 2007. Nanomboka teo dia nitoka-monina noho ny sakana israeliana-ejiptiana ny Salavantanin' i Gaza, ary lasa toeram-pifandonana tamin' i Israely, anisan' ny dimy lehibe indrindra ny tamin' ny taona 2009, 2012, 2014, 2021 ary 2023.

Araka ny filazan' ny Firenena Mikambana tamin' ny taona 2017 dia mety ho lasa "tsy azo iainana" ny Salavantanin' i Gaza amin' ny taona 2020, noho ny sakana ataon' ny Israeliana sy ny Ejipsiana izay mitarika ho amin' ny famerana ny famatsiana angovo sy rano, ny fahasimban' ny fikarakarana ny fahasalamam-bahoaka ary ny tahan' ny tsy fananana asa avo dia avo.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search