Samaria

Toerana misy an'i Samaria eo anivon'ny faritra tao Israely fahiny sy i Palestina.

I Samaria dia faritra be tendrombohitra ao Atsinanana Akaiky izay Fanjakan' i Israely (Israely avaratra) fahiny manodidina an' i Samaria izay renivohiny taloha, akaiky an' i Sikema (habreo: שכם) (akaikin' ny tanànan' i Naplosa ankehitriny), izay nifanandrina tamin' ny Fankakan' i Jodà ao atsimo. Atao hoe שומרון / Shomrôn izy amin' ny teny hebreo. Ankehitriny ny faritr' i Samaria dia misabaka eo anelanelan' ny tanin' i Jôrdania Andrefana sy ny tanin' i Israely, ao amin' ny ampahatelo atsimon' i Jôrdania Andrefana ankehitriny sy ny sombin-tany amorontsiraka avy any Tel-Aviv any avaratra ka hatrany amin' ny sisin-tany libaney.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search